<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.S. Irvine</author>
<lyrics>[V1]
 Ry Kristy ô, Mpanjakako !
 Ny foko ho Anao ;
 Ny feoko hasandratro
 Hihira ho Anao.

[V2]
 Mba raiso ny fanahiko
 Hanao ny sitrakao ;
 Ny tenako, ny heriko,
 Dia ento ho Anao.

[V3]
 Ny tongotro, ny tanako,
 Hiasa ho Anao ;
 Ny androko, ny volako,
 Omeko ho Anao.

[V4]
 Izaho dia tsy mendrika
 Anao, ry Tompo ô !
 Kanefa re, mba raisonao
 Ny foko ho Anao.</lyrics>
<title>Ry Kristy o, Mpanjakako! FFPM440</title>
<hymn_number>440</hymn_number>
</song>